You are here: home > Vetso

Io fitiavana io - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Io fitiavana io

raha toa ianao tomany
dia no io fitiavana io ihany
raha toa ianao falifaly
dia no io fitiavana io ihany
raha toa ianao mijaly
dia no io fitiavana io ihany

raha toa ianao ravo
io fitiavana io tsy lavo
raha toa ianao tokam-po
dia no io fitiavana io tokoa

raha toa ianao mampirafy
dia no io fitiavana io izay ratsy
raha toa ianao hory
io fitiavana io rangory

raha toa ianao may
io fitiavana io afo kitay
raha toa ianao babo
dia io fitiavana io izay mpahazo

raha toa ianao raikim-pitia
dia no io fitiavana io minia

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha