You are here: home > Vetso

Isika roa - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Isika roa

ireo hanihany
toa mamy hatrany
ilay isika roa
nisangy nihomehy
nafinaritra tokoa
ny nahita antsika re

toa tsy hay hadinoina
tsy maty ho vonoina
ireo izay efa vita
tsy hodiana tsy hita
fa mitoetra lalan-dava
izay tsy mety ho rava

isika roa mantsy
dia niombona fitia
iaradia mandramaty
aina no fetra akia

isika ilay rano sy vary
natamban-janahary
nampiraisany ho iray
ka ho mandrakizay

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha