Iza moa ianao? (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa ianao?

Fa iza moa ianao?
Iza hoe? mba lazao?
No sahy milaza izany
Moa va akaikiko ihany?
Sa minia mahalala fotsiny?
Nefa olona tsisy fotony

Fa iza mihintsy ary ianao e?
No manao ahy toy izao
Sa misangy ratsy ianao?
Mba tandremo ihany lahy
Ity vava avoakanao
Fa sao hidiran-doza
Hanao lalam-poza

Tsy tiako ianao hahalala
Na dia anaram-badiko aza
Fa izaho no adala
Mihaino ny rediredinao
Tsisy fantatro akory
Fa manorisory

Fa iza ianao e?
No dia mahalala ny toerako
Ny fonenako, ny toetrako
Eny e, Tsy tiako re intsony
Izay ho tohiny ny anao
Tsy tiako fotsiny ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
828 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111