Izany no Dadanay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany no Dadanay

I Dada tsy mba manavaka
Hendry izy sady mpivavaka
Ary vonona sy manolo-tena
Hanavotra ity firenena

Ny vahoaka aloha no jereny
Tanterahany ilay teny nomeny
Vitany atsakany sy andavany
Izany no tena finiavany

Fandrosoana no tena hiriany
Ny malagasy rehetra dia tiany
Izany ary no tena fitiavany
Ny hahasoa ny tanindrazany

Sambatra loatra tokoa izahay
Manana azy ho filoha ity tany
Izany ary no Dadanay
Aza matahotra minoa fotsiny ihany

Maro be ireo zava-bita
Niarahan-tsika nahita
Fa mafy sy tena milay
Izany no Dadanay

Fidio Marc Ravalomanana
--------
Rohy:
953 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155