Ny fitiavako azy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako azy

na ho aratsiana ho hankalaina
tsy mampiova ny fo sy ny fitiavako azy
tsy mety malazo sy ho karakaina
fa izy ilay raozy anaty vazy

aza misisika ny halala akory
fa mijanona ho mpitazana fotsiny
aza manofy ny ali-matory
fa tsy ho anao ny mamy sy rotsiny

na atao tsinotsinona sy roraroraina
roasina, ahilika, dikadikaina
tsy mampiova ny fo sy ny fitiavako azy
tena marina moa tsy vazivazy

raha ny fitempo ny fo ato anatiko no hambara
tokana iray tsy mizarazara
fa vonon-kijoro tsy misalasala
vonon-kanaja azy ilay anjara

na iza miseho ho manja sy tsara
ny tokan'ny foko tsy ho very zara
fa izaho azy irery hatrany hatrany
mandrampialako eto an-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1399 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032