Jamban'ny fitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jamban'ny fitia

Iny ianao raha tazako
Niserana sy nisoko
Namikiviky ery
Saingy nitselatra ny foko
Ka jamban'ny fitia
Dia nitady anao foana
Hitantana ity tanana
Dia naniry mba hiaona
Hifanena eny an-dalana

Angamba fa jambena
Ity mason'ity foko
Tsy nahita izay nojerena
Raha iny ianao nisoko
Nanjary tsy nisalasala
Te hioty ity vonin-kazo
Saingy ny tia adala
Ka velom-bazovazo

hany ka mora voababo
Mora voasarika
Satria efa voamarika
Eny amin'ny endriko
Ireo fiteny nokinendriko
Dia ny hoe tiako ianao
Ka ho tiako ho doria
Tsy ahita intsony aho
Satria jamban'ny fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163