Karazam-boay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Karazam-boay

raha mandinika indray
isika ka mijery
dia misy karazam-boay
nefa dia kely

bitika sy kilitika
ngeza kely noho ny vitsika
fa mitovy amin'ny angidina
nefa tsy manidina

ny tongony efatra
ny vatany matavy kely
tokony ho fito santimetatra
ny halavany raha ny fijery

nefa miendrika voay
na dia kely sy bitika aza
ny katsatsaka anie izay
tsy rehy, tsy malaza
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
583 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157