Lahatra sa anjara? (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lahatra sa anjara?

Fony mbola kely fahiny fahazaza, Dia niara-nilalao sy nitabataba
Mpinamana tsy mba nifankafoy, Izaho sy miora re roy
Hany ka malahelo rehefa hifandao, Toa nalaina ny hisaraka ny anao
Tokony ho folo taona izahay teo, Niray saina nofy izay ho leo
Satrinay ary hiara-hilalao foana, Toa tsy andry ny maraina hiaona
Rehefa iny ary koa hoe tafaraka, Dia nifanjohy hatrany nifanarakaraka

No ny taty aoriana kely indray, Dia voatery nifandao izahay
Ka malahelo fa mafy tokoa izany, Ka nanjary nankarary sy nampitomany
Tsy miditra ao an-doha ny fianarana atao, Fa ny saina sy ny fo dia any aminao
Misentosento sy verivery saina, Mahatsiaro fa very ilay sakaiza nolalaina
Dila ny andro volana lasa taona, Ela tsy niaraka sy tsy mba nihaona
Adinodino teo ilay namana fahiny, Nanjary nitia olona izy ankehintriny
Izaho aty tsy nisaina izany akory, Indray alina izay aho tsy nahita tory
Fa lasa tany aminy ny saiko, Indraindray aho miantso nefa tsy hita izay ho lazaiko

Telo taona lasa taty aoriana, Narary aho ka niantso hoe mba vangina
Indrisy anefa fa very ilay finday, Ka nanomboka teo dia tsy nihaona intsony izahay
Ny anarako aza mino aho fa tsy tsaroany intsony, Fa na ny fisiako aza mety nadinoiny
Nalahelo mafy aho ka latsaka tomany, No nitanondrika no sady nanontany
Nanontany tena aho hoe fa inona loatra, Ity tenako sorena izaho te hitraotra

Dimy taona lasa taty aoriana, Tsy tsaroako intsony ny fisiany
Hany ka lasa aho nitia olona, Ny saiko tsy nino ny foko te hitolona
Hanadinoko ilay anaranao, Ilay namako tsy foiko hatramin'izao
Indrisy anefa fa tsy anjara ny anay, Nampirafy aho izy tamin'izay
Koa tapaka teo ary ilay tady, Raha vao nitia aho dia rava sahady
Ka naleoko aloha nangina kely, Tsy hitia aho fa ho tokana irery
Najanoko mihitsy aloha ny fitiavana, Hipetraka hiandry anao rahavana

valo taona tao aorian'izay, Dia nifankahita indray izahay
Faly indray ny fo ravoravo, Ka te hanakatra iry lanitra avo
Nifanontany teo firy ny ankizy, Samy mbola tsisy ka nitomany izy
Nanontany aho fa nahoana ianao no tomany, Ka hoy izy hafaliana angamba izany
Raha vao nandre ilay teninao, Hoe tsy hanambady raha tsy ianao
Nientana mafy ny foko raha nandre izany, Tsy ela akory dia latsaka tomany
Hany ka samy nivokovoko, Ka nanomboka teo dia nitempo ny foko
Nanjary lasa tia azy, Tsy tendro-molotra na vazivazy
Fa avy ao am-poko tokoa akia, Ka diso aho ve raha tia an'indry?
Izy aloha dia tsy nahaloam-peo, Ka navelako aloha irery teo
Niverina aho fotoana fohy, Dia niresaka ka nifampitohy
Toa tsapako ao anaty mamaivay, Ity fitiavana an-kiray
Natosako noborahako taminy ihany, Ity fitiavako no sady aho nitomany
Tsapako fa torotoro ny ao anatiko ao, Ka hoy izy hoe izaho tia anao
Ka niroborobo fatratra ilay fitia, Hiaraka izahay ho doria
Tsy aiko hoe lahatra sa anjara, Ity fitiavanay voarakitra tantara
Erin-taona tao aorian'izay, Dia nisoratra nivady izahay
Nifanao voady teo ambonin'ny alitara, Ka lahatra ve sa anjara?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2420 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119