You are here: home > Vetso

Mamelà ny heloko - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ny fahotako maro
izay vita sy natao
ny ditra mifangaro
mino aho fa hitanao

Tsy miafina aminao
Ry Rainay tsitoha
ny heloko avelao
ho mendrika sy soa

Ny alina maizim-pito
hahazava aminay
hiova ho ampintsoa
hiderana anao ry Ray

Ny andronay mandalo
miserana dia vita
be ny fahavalo
maminga tsy ho tafita

Sokajy : Fiderana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha