Mandehana mifidy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandehana mifidy

Ry olom-pirenena aoka isika hifidy
Zo antsika izany ka hefao ny adidy
Manana andraikitra goavana ianao
Manan-danja sy mahery ny safidinao

Aza manaiky terena sy tambazana
Mijoroa ianao fa tia tanindrazana
Zo anao mantsy ny hifidy malalaka
Anao ny safidy izay vato ho alatsaka

Samy manana ny safidiny ny tsirairay
Tsy voatery hitovy koa anefa izany
Samy manan-tsaina ary samy mahay
Koa aoka ny safidy mba ho tokana ihany

Samia ary isika mba samy handinika
Mba hampitaha ny fahiny sy ny izao
Aoka isika mba hitsinjo ny madinika
Ireo dimby sy fara, ireto taranakao

Koa anjaranao sisa no misain-tsaina
Ary mandalina tsara izay tena izy
Ho tohizana foana ve ireo taraina?
Ho tohizana hatrany ve ny krizy?

Manan-tsaina isika ry malagasy
Afaka mandalina sy mieritreritra
Ary manana andraikitra sy adidy
Koa mandehana re mifidy
--------
Rohy:
1000 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128