Mangataka aminao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hazavao ny firenena
izay mahantra tokoa
mba mikiry manantena
izay mba hahasoa

Ireo mpitondra ao
anie ry Ray malala
mba ho diovinao
ny sainy mba hahalala

Ny zavatra manjo
diavin'ny firenena
tena ratsy tokoa
ny pesta mahasorena

Ka angatahinay anao
ny ho avin'ity tany
mba ho tonga ho vao
ho voalohany eran-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Vavaka
1154 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155