Manina anao. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina anao

Sambatra ianao ry vorona irony, Afaka mahita any ho any
Mibanjina mijery avy eny ambony, Tazanao avokoa ny ety an-tany
Te ho toa anao aho indraindray, Te hisidina hamonjy malala
Kanefa indrisy fa very fanahy, Ka lasa saina fa tsy afa-miala

Ny eritreritra aminao foana, Mitety irony lohasaha mangina
Sy tendrombohitra ary havoana, Fa manina anao aho ry tiana
Hany ka lasamborona misavomboana, Ny eritreritro sy ny saiko
Toa manontany tena hoe nahoana?, No tsy arih'elatra aho ry aiko

Eto aho ry tiako dia lasa vinany, Mamisavisa ireny fiarahana
Toa te ahita anao aho izany, Fa ilay endrikao foana no mibahana
Ka nanorotoro ny fo amam-panahy, Ketoan'ny hanina anao rahavako
Ny fo sy ny saiko indro nahatsiahy, Fa tsy nampiova ny fitiavako
--------
Rohy:
1961 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153