Mariazy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mariazy

andro volamena
ny andro anio
nandaniana ireo harena
koa tsaroy, tadidio

andro iray toa zato
ny andro androany
izay andro tena kanto
tsy roa aman-tany

andro iray malaza
ity andro ity
isika hivoady sy hilaza
hitambatra ho doria

andro fanolorana
ilay peratra volamena
andro fanorohana
molotra mena

andro voatokana
andro voafidy
andro hiantsorohana
indrindra ireo adidy
--------
Rohy:
1706 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157