You are here: home > Vetso

Maro no tsara fa ny tiako tsy ariako - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Maro no tsara fa ny tiako tsy ariako

maro tokoa no tsara
fa ny tiako tsy ariako
izay mety mba hahatara
nefa ianao no efa tiako

maro tokoa no tia
fa foko no mametra
izay ho tiany ho doria
ka fitia tsisy fetra

maro tokoa ny misarika
ity foko ho mania
izay mety tsy voa-marika
hoe ity foko no hitia

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha