Matokia ahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matokia ahy

Matokia ahy
Eny,, Matokia ahy malala
Fa na misy aza tia ahy
Aminao izaho tsy hiala
Ary na ho vy na ho vato
Ny foko tsy hianto
Ny hitia sy hitempo anao
Koa matokia ahy ianao

Izany re ry aiko
Eny,,Fa na hatramin'ny aiko
Dia mbola hafoiko ho anao
Raha ilainao izany
Fa ny hany mba hangatahiko
Matokia re ny fitiavako e

Fa toy ny tantely
Ny fitiavana hatolotro
Mba ho maminao irery
Ireo teny mamy mivoaka imolotro
Eny,, Ho anao mandrakizay
Koa dia matokia ahy

Fa raha iny aho nitia anao
Dia toy ny Siny ny fitiavako
Koa matokia ahy ianao
Fa Tokam-po aho rahavako

Fa ity foko efa vato
Toa tsy hainy ny hitia hafa
Fa mitempo anao tsy an-kianto
Eny,, Tena latsa-paka

Koa matokia ahy ry tiako
Fa ianao no hany fifaliako
Ary tena hasambarako
Iny ianao ho Tantanako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1546 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183