Mbola tiako ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tiako ianao

Tsy mahafoy, tsy mahasaraka anao
Very aho raha hilaozanao
Ka mba miangavy, mitalaho
Mijanona raha mba azo atao,
Fa mbola tiako ianao

Inona re no tsy ampy,
Fa vonona aho hanampy
Hanarina ireo tsy nety,
Hanova ahy vetivety
Ataoko tsy mila tambiny,
Homeko tsy misy ambiny
Ny foko sy izay tianao,
Fa mbola tiako ianao

Ka vonona aho hiova,
Arak'izay itiavanao
Satria mbola tiako ianao,
Ka sarotra amiko ny hamoy
Irony fitiavanao mamy,
Ka miangavy mba hadinoy
Izany fisarahana izany,
Tena tsy haiko ny hanadino anao
Satria mbola tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1954 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181