Tiako I madagasikara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako I Madagasikara

I Gasikara mandroso, No tanjona hiriana
Koa mifankatiava isika, Ho firaisank-kina
Atsaharo ny fanaratsiana, fanambaniana
Ny ho avy banjino, Ho soa any aoriana

I Gasikara milamina, No tena ilaina
Mila an-tsika miaraka, Raha te ho deraina
Mila mihavana isika, No tena hantenaina
Dia i Gasikara iray, No tena andrandraina

I Gasikara mendrika, No tena tadiavina
Meva sy kanto, Koa tena mila hotoavina
Horeharehan-tsika, Koa mila tiavina
Ho voalohany isika, Izay koa tsy holavina

I Gasikara miray, Koa tsy mizarazara
Ho Lova tsara indrindra, Ny dimby sy fara
Koa mila mpitondra, Mahay mikarakara
Olon'Andriamanitra, Sy madio tsara

I Gasikara soa, Ho an-tsika ho doria
Mahatehonina, Sy mahatehotia
Izany no toa, Dia noho isika satria
Ny malagasy rehetra, Dia mifankatia

I Gasikara hiriana,Tiany hafa ihany koa
Ny mpizahan-tany, Dia voasarika avokoa
Ny iraisam-pirenena, Dia Tamana tokoa
Mahita an'ity, Gasikara tena soa

Tiako i Madagasikara
--------
Rohy:
1359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012