Mialan-tsiny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mialan-tsiny

mialan-tsiny aho satria
tamin'izany aho no tena tia
kanefa natositosikao
nataonao tsinotsinona
nataonao kilalao, ankilabao
nambaninao hoe dia haninona

kanefa izao ianao voadona tany
ka nitady ahy erakin'ny tanĂ na
indrisy anefa, mialan-tsiny ihany
fa ny foko efa tsy tana
efa any an-tratran'olon-kafa
satria ny anao efa voafafa

koa mialan-tsiny re e
fa any an-kafa indray manorina
koa tsofiko rano ianao enganie
hahita vaovao ka ho mafy orina

fa izaho aloha dia mialan-tsiny
fa tsy ho anjaranao mihintsy
satria re izaho tena tiany
tsy foiny, tsy ho ariany
ho iray izahay ilay tia
ho doria doria

koa mialan-tsiny aho fa izy no tiako
fa ianao dia ariako, ikipiako
hodiako tsy hita
satry ny antsika efa vita

ka dia mialan-tsiny e
aoka re tsy ho tsiny e
raha hivady izahay
hitambatra ho iray
ho doria mandrakizay
--------
Rohy:
722 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164