Miandry valin-teny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry valin-teny

rahoviana ihany ary
ilay valin-teninao
ela loatra sa izaho?
No mafy teo ho eo
sy miandry rahateo

efa tsindrin-daona mafy
maika aheno ilay valiny
ny foko toa ho vaky
nefa miandry izay ho rariny
ho avalinao ho ahy
mitebiteby sy manahy

nahoana raha lazaina
fa izaho mitaitaina
nefa anie ianao izany
toa tsy rotika akory
izaho te hitomany
ny foko koa efa ory

miandry mba ho tiaviny
manahy koa sao ho laviny
ity foko mitokoko
midobodoboka mafy ery
sao ho sendra ho toloko
no ho valin'ilay fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
1001 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126