Miara-dia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miara-dia

Etsy ry malala ianao ho tantanako
Dia indro fihino mafy ny tanako
Fa hiaraka isika ka tsy hifandao
Hamakivaky izao fiainana izao

Ka na inona na inona misy eto an-tany
Na alahelo na toloko na koa tomany
Dia isika efa iray satria mifankatia
Koa mahereza rahavako, herezo ny dia

Lalana iray no iraisan-tsika roa
Izay alehako dia alehanao ihany koa
Izay misy ahy dia misy anao hatrany
Miara-dia hatrany am-parany any

Fa fo roa mifankatia nanjary ho iray
Hifanjohy hatrany ka ho mandrakizay
Hifampitantana ka tsy hifanary
Ho toy ny fitia rano sy vary

Malala a, maro ny sedra ho lalovan-tsika
Ao ny hafanana sy hirifirin'ny hatsiaka
Be koa anefa ireo mpanadala sy tsy tia
Ka te handrava ny fon-tsika miara-dia

Ka aoka ianao tsy ho kivy amin'izany
Fa isika raha mbola miaina eto an-tany
Dia tsy maintsy misy izany, fa izao akia
Voasedran-tsika izany rehefa miara-dia
--------
Rohy:
1049 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112