Mila anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mila anao

Banga anao ny fiainako
Hany ka manjombon-dava
Takon-drahona matevina
Ilay masoandro mibaliaka
Koa indro ary ny fisainako
Nanamaloka indray ny tava
Ka sentosento ary hevina
Nanarona ilay endriko sariaka

Indrindra moa rehefa iny
Takariva somambisamby
Diva hilentika ny masoandro
Ka ho mena vodilanitra
Ka mahatsiaro ny fahiny
Hanihany sy tambitamby
Niarahan-tsika isan'andro
Sy irony tsikitsiky mahafinaritra

Koa indro ny fo fa marary
Ketoan'ny embona sy hanina
Mahatsiaro fa tokana irery
Tsy misy mpikarakara
Hany ka ny atao tsisy manjary
Ny saina tsy mety milamina
Ny eritretreritra toa manery
Hoe miverena ry malala

Hany ka tsy mety mino
Fa manosika ny fo ho any
Hiantoraka sy hiantsampy
Eny aminao ka te hitalaho
Ny vatana miantso ho avia fihino
Ny fo toa manjohy anao hatrany
Ny alahelo anao no tsy tanty
Fa tena mila anao aho
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1592 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158