Minoa fotsiny ihany (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Minoa fotsiny ihany

Dada a, Tsapanay ary fantatray koa
Ny fitiavanao anay, Fa lehibe tokoa
Tianao handroso i Madagasikara
Ary vonona ianao ka nanolo-tena
Hifofo ny ainao ho an'ity firenena

Fantatrao mantsy fa mila fanavotana
I Madagasikara fa tena mikorontana
Mifamono samy malagasy izahay
Ary mahantra ambonin'ny harena
Koa mila mpitondra tena mahay
Mba hanavotra ity firenena

Ianao ry Dada dia tia tanindrazana
Manam-panahy sy manam-pitiavana
Manam-pahendrena sy manam-pinoana
Ka afaka mampadroso ny fandrosoana

Ary vonona izahay hanohana sy hifidy
Efa ampy izay ry fiainana mangidy
Ianao ry Dada no toky sy andrandraina
Efa ianao koa tena hantenaina
Ka aza matahotra fa minoa fotsiny ihany
Ary mino izahay fa ianao tsy maintsy lany

Izahay tsy hitsahatra hivavaka ho anao
Ny Tompo homba anao amin-javatra atao
Koa mahereza, matan-jà ary mijoroa
Misahia, mitrakà ary mandrosoa

Tsy avelanay hiady irery izany ianao
Fa vonona izahay hanohana hatrany
Ary hanentana ny olona hifidy anao
Koa aza matahotra minoa fotsiny ihany

Fidio i Marc Ravalomanana
--------
Rohy:
831 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165