Mitory fitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hey andraso kely ange
fa misy zavatra tiako hambara
miankina am'ise
dia ho raketiko ho tantara
nefa miahotra aho sy misalasala
ny vavako miboredika
ny hanambara
ny vatako mangovitra
izaho toa tsy sahy
ny ato ampoko tena rotika
izaho anefa manahy
fa sao dia ho lavinao
ka handratra ahy
ieny eh
ho teneniko ihany
izay ato ampoko
aza raisina hanihany
fa ianao ange tiako
tiako ianao hoy aho
izaho tsy manery
na mila valiny izao dia izao
fa ny foko no nanery
nanosika ahy hitia anao
ka dia ho adisoako ve
ho tsiniko ve
ieny eh
tsy maninona
fa izay no tato ampoko
izay no marina
fa toa sarotra takarina
tiako fotsiny ianao
tiako tsotr'izao
tsy misy hoe ahoana
fa ny foko mbola nôna
tsy ampy fitia
izay miandry valiny amin-dry
ka ho "Eny" sa ho "tsia"
no valinteni-ndry
fa ny ahy anie ho doria
fa tsy hilalao fitia
hiandry ihany aho
hiandry foana anao
ny ahy efa voamborako
ny tao ampoko tao
fa foko tsy tazoniko
fa tiako loatra ianao
--------
Rohy:
1566 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167