Namana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana

ianao ilay namako taloha
tena akaikiko tokoa
no injay lasa olon-tiako
sy lasa tsy foiko
iza moa no nanampo
fa hivadika ny tafa
ka lasa nifanankin-doha
fa ilay namana voafafa

ianao mba nanantena
fa ho mpinamana foana
ka nandeha teny ny fotoana
ka ny nivadika ny lela
ka voamborako tsy nahy
izay nitsiry tao anaty
izaho koa nino tsy nanahy
fa ianao koa tia ahy mantsy

ka nanomboka teo
dia niaraka, nifankatia
ianao koa moa rahateo
nilaza tamiko fa tia
ilay finamanana teo aloha
no lasa fitiavan'olon-droa

namako ianao taloha
nefa isika ity nifakantia
izay ilay anjara tokoa
ka hiaradia ho doria
io finamanana io ihany
no nampiray sy nampitambatra
andao hifankatia hatrany
minoa ahy ianao fa ho sambatra
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fitiavana
958 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246