You are here: home > Vetso

Nenina - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Nenina

nanenina angaha ianao
no tonga eto indray
hifona sy hitalaho
hamerina amin'izay

ilay fitia niombonana
ilay mamy nifanolorana
ilay teny mamy fah'izay
hoe averina indray

kanefa indrisy tara loatra
ny fahatongavan-tsaina anao
satria dia tafahoatra
loza izay efa vitanao

ny nenina tsy ao aloha
fa ao ariana handatsa
ka banjino izay hahasoa
fa ny nenina tsy ho zaka

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha