Niandry anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niandry anao

Ora maromaro teo no lany
nefa ianao mbola tsy hita ihany
lasa teo ary izato saiko
ka handeha sa hijanona hiandry azy
nefa anie ianao tena lalaiko
ka aleo aho hiandry na ho sasakalina aza

tonga teo aho tamin'ny folo
izay niankindrindrina, nanamboatra volo
ny maso efa folo
nihodin-kavia sy havanana
fa aiza ihany ary ianao rahavana

ora efatra taty aoriana
izay tsy nampoiziko ilay olon-tiana
ho tonga ihany toy izao
namaly ilay fangatahako hihaona
hay nanao raharaha sy nisakafo ianao
izaho nefa efa torovana sy naona

izay maharitra ihany hono no vadin'andriana
ka raha lasa nandeha teo aho ry tiana
tsy mba nahita anao akory
tamin'iny fotoan-tsika iny
na ity foko ity ary efa ory
ilay niandry anao fahiny
--------
Rohy:
708 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125