Nilaozan'olon-tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nilaozan'olon-tiana

Alahelo sy tomany
Nameno ny andronao
Fa nilaozan'olon-tiana
Toa feno hakiviana
Tsy hita izay atao
Mahatsiaro very ianao
No ho ny ady sesilany
Fa rendrika ihany

Sentosento sy tomany
Raha indro mahatsiahy
Ilay endrik'ilay tiana
Mitomany mangingina
Torotoro re ny fanahy
Manontany tena asa lahy?
Koa indro lasa vinany
Mandefa ny sainy any

Embona sy tsiahy
No indro fa matetika
Fa nilaozan'olon-tiana
Mahatsiaro hoe nariana
Iny masoandro milentika
Tsaroany ianao mbetika
Raha iny ianao voatsiahy
Dia nandrotika ny fanahy

Tsy miala ao an-doha
Tsy miala ao an-tsaina
Ireny fotoana niarahana
Sy ny ora nisarahana
Maro sy nampiferinaina
Ny mamy notohaina
Dia vokatry ny fo
Voatokana ho an-tsika roa
--------
Rohy:
2477 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078