You are here: home > Vetso

Noheveriko - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Noheveriko

noheveriko mba tena tia
noheveriko mba ho doria
hay nandrafy, nampahory
an'ity foko tsy ho tony
mitempo fitia
mba naniry ho doria

noheveriko ho domoina
ilay fitiavana no koloina
hay fitiavana miserana
sy fitia diso toerana
ny anao sy ny ahy
ka lasa mampiahiahy

noheveriko tsitohaina
ilay fitiavana no lalaina
hay fitiavana mitoetra
madio tsisy fetra

Hametraka hevitra

Midira aloha