Ny anilan'ny tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny anilan'ny tiana

Hafa ihany ny anilan'ny tiana
Tsy mahatsiaro izay hakiviana
Fa feno fitiavana mitafotafo
Miampy oroka sy safosafo

Hafa ihany ny anilan'ny tiana
Tsy mahatsapa izay fijaliana
Fa teny mamy sy tambitamby
Miampy tsiky sy Sangisangy

Hafa ihany ny anilan'ny tiana
Tsy mba mivesatra fahoriana
Fa manana azy ho namana
Hampionona sy hiadanana

Hafa ihany ny anilan'ny tiana
Fa feno toky sy faniriana
Angamba ho nofy izay hisaraka
Ka na aiza aleha tsy maintsy miaraka

Hafa ihany ny anilan'ny tiana
Misy mpiambina sy mpiaro
Fa manana anjely tsy azo hariana
Miavaka loatra amin'ny maro

Hafa ihany ny anilan'ny tiana
Na inona na inona fotoana
Ny hatsaran'ilay fitsikiana
Na andro ririnina io na lohataona
--------
Rohy:
1861 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165