Ny endri-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endri-pitiavana

Raha sambany ianao vao mba nitia
Dia tsarovy tsara fa tsy voatery
Ho lasa vadinao ny voaloham-pitia
Fa indraindray vao mba toa ireny

Tsarovy koa fa ao ny tomany
Ny sentosento sy alahelo
Fa ny fitiavana tsy hilaozan'izany
Ary tsy ilaozan'ny tsiambaran-telo

Tsarovy koa fa misy ny sedra
Izay tsy maintsy ho lalovana
Ka misahia mamaha izay mangeja
Rehefa aty aoriana ho fahatsiarovana

Fa raha tafaray ny tia sy ny tiana
Ka mifanojo sy miara-dia
Dia ho tena mamy ilay fitiavana niriana
Ary maharitra doria doria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1055 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157