Ny fahalasan'i Rabodo(Mamy) (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rabodo(Mamy)

dia lasa ianao ry mamy
namela kamboty roa
nandao ity tany
tena mangidy tokoa

nantsoin'i Ray
hody any aminy
i Mamy maminay
izay nandao ity taniny

izay tokoa no lahatra
voalahatrin'i Ray
isika tsy mpandahatra
fa izy no nandray

dia mionona mitraka
f'izay no fomba ny tany
izy no nandao antsika
fa tsika mbola ho any

koa volama mandrampihaona
any isika mbola hiaona
fa ianao moa lasa nialoha
nodimandry niamboho
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
777 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151