You are here: home > Vetso

Ny fahitako anao - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ny fahitako anao

niala teo ny jaly
ny halahelo sy tomany
nisinda avy hatrany
no ny fahitana anao ihany

ny aretin'an-doha
nisava avokoa
ny toreo sy toloko
nandratra ny foko
niala avy hatrany
no ny fahitana anao ihany

izay rehetra natao
nanjary nety rehefa injao
fa nahita anao
mirana toy izao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha