You are here: home > Vetso

Ny fiainana - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ny fiainana

ny fiainana anie
ka tsy ilaozam-pahoriana
ka izao mivavaha re
mba tsy ho hazo fijaliana
ho anao ity tontolo ity
fa mba hahay hifankatia

ny fiainana anie
ka malama maina
ka sao ho solafa re
vao hitaraina

ny fiainana koa
dia tsy lany hamamiana
indrindra ireo soa
natolotr'ilay tiana
fa mamy aok'izany
tsy mety ho ritra hatrany

Hametraka hevitra

Midira aloha