You are here: home > Vetso

Ny fiainana aty - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ny fiainana aty

ny fiainana aty kay
maloto sy voretra velona
ka mitondra aretina ho anay
ireo setroka sy lavenona

ny fiainana aty ary koa
toa gidragidra daholo
tsy milamina avokoa
izay hita manontolo

ny fiainana aty iarivo
toa lelalela lava tsisy farany
na tranom-barotra io na kizo
dia mpanendaka no tantarany

Hametraka hevitra

Midira aloha