Ny fitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitia

ny fitia toy ny afo kitay
raha lalaovina mandoro,mahamay
ny fitia toy ny vonin-kazo
raha tsy koloina mety halazo
ny fitia toy ny tazo
mamindra, mandavo


ny fitia toy ny kolokolo
raha tapahina misy misolo
ny fitia toy ny zavona
raha tsy voakolo dia hanjavo

ny fitia toy ny rahona
manjombona raha takona
ny fitia toy ny loharano
miboiboika manganohano
ny fitia toy ny sary
raha rafiana dia manary

ny fitia toy ny paraky
eo am-bava eo ihany mantsy
ny fitia toy ny lela
avadibadika foana ka ela
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
848 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112