Ny fitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavana

ny fitiavana akory
tsy terena sanatria
na mafy aza ka mampahory
dia miandry izay ho tia

ny fitiavana rahavana
tsy voavidy vola na harena
fa raha ireo no mibahana
dia anjaka ny fitiavan-tena

ny fitiavana ry malala
dia be ankaso sy manadala
sy fakam-panahy mianjady maro
sy halahelo sy tomany mifangaro

ny fitiavana dia
fijaliana sy fifaliana
izay vonona hiaradia
tsy ilaozan'olon-tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1041 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114