Ny itiavako anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny itiavako anao
dia ianao mahazaka izay mianjady
ka tsy ho kivy izany
raha misendra mafy ady

Ny itiavako anao
dia ianao mahazaka fijaliana
mafy fo, mitraka hatrany
raha midonam-pahoriana

Ny itiavako anao
dia azoko izarana izay manjo
ka sahy miara-mijoro amiko
raha misy mahavoa

Ny itiavako anao
dia ianao mahazaka izay ataoko
ka tsy ho leo mihintsy
fa arahinao ilay tsikitsiky

Ny itiavako anao
dia ianao vonona hatrany
hanaja ahy sy hitia
dia eo ianao satria tia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
946 5
Hevitra mandeha
tononkalokanto2017 ( 19/12/2017 22:07)
Tiako ilay tononkalonao
tsara e
nalsonrazakariasa2015 ( 01/01/2018 08:05)
Misaotra eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235