Ny mpisotro toaka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny mpisotro toaka
mba miera hoe hivoaka
any anefa izy dia tsy hita
fa manendy masikita

tsy ataony hita hita
ny na vady aza tsy mahita
fa vao mendimendy kely
dia iny izy no mamely

toaka roa na bota
vitany indray migoka
dia efa dôzidôzy kely
dia mikôty sipa kely

manao tanana am-paosy
dia mipipy an-kilaoty
izy angaha mivakiloha
vao miteny dia mandoha

raha vao manam-bola
dia miaraka midola
ny viavy sy ny lahy
mitondra fankampanahy

na volany rehetra
tsisy intsony andohavana hetra
fa ny any am-paosy indray
dia sola tsisy izay

nangaronin'ny viavy
na ireo akama sarom-bavy
fa tsy miantokana saosy
mba tsy ho sola ny any am-paosy
--------
Rohy:
1107 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158