Ny tenin-drazako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tenin-drazako

vao teraka ianao
ka niloa-bava
dia i dada dada izao
izay no voateny
tao am-bava ombieny

koa izao anefa ianao
nanadino ilay fahiny
ka lasa "papa" indray izao
ilay "dada" ankehitriny

toa lasa tsy nahay
niteny malagasy
fa français indray
no hainao fa tsy gasy

ekeko fa tekinolojia
ny amin'izao fotoana
ka sahy ianao mirahary
fa hoe tsy mivoana

ny antsika re atao tsara
fa tsy ny an'ny hafa indray
ny tenintsika gasikara
masao ataovy hay
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
736 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178