Ny tsikitsikinao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsikitsikinao
dia mitondra fifaliana
mampitsahatra avy hatrany
ny ngidim-pijaliana

Ny tsikitsikinao
dia fahasambarana iray
toa mitondra ahy hankany
paradisa mandrakizay

Ny tsikitsikinao
dia fanilo manazava
izay mifamahofaho amiko
toa miserana dia misava

Ny tsikitsikinao
dia fahafinaretako
mampanentanetana ahy
hampiena izay mavesatro

Ny tsikitsikinao
dia masoandro mibaliaka
mamelona ahy maraina
mamiratra manjopika
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1189 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154