Ny voady omeko anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny voady omeko anao
tsy hataoko kilalao
fa ianao irery ihany
no mamiko eto tany

Ho taniko hatrany
izany teniko izany
fa na iza iza no tsara
dia efa ianao ilay anjara

tsy hivadika hanketsy
na sandana iray hetsy
fa hifikitra aminao
ho doria aho tsy handao

raha miteraka any aoriana
dia mbola tsy ariana
fa ho lalaiko atrany
mandrampialako eto tany

izany ny voady omeko
na ny aiko aza ekeko
ho atolotro ho anao
fa silako ho ahy ianao

Na efa maty aza anefa
raha ilay fitia niantefa
dia mba hatambatra izahay roa
Mba ho iray karan-doha

izany no voady
ho mendrika ho vady
ho ekeko sy hajaiko
mandrampahatapitra ny aiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1820 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114