You are here: home > Vetso

Olon-tiako vaovao - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Olon-tiako vaovao

Izy no izy, efa fantatrao?
Izy no olon-tiako vaovao
Ilay taloha ve? Efa nisaraka izahay
Nampirafy ahy mantsy izy
Ka tapaka teo ny anay

Izy no izy, fiainam-baovao
Ny anarany ve? Tianao ho fantatra?
Jereo ny endriny dia ho fantatrao
Na mety raha ataonao atsapaka
Fa izy ilay olona nisolo toerana
Vao lasa ilay ray dia izy niserana

Dia tiako izy nanomboka teo
Tsy ela akory dia novaliany avy eo
Hay izy tia ahy ihany koa
Dia izy indray izao no dimbin'ilay taloha
Ilay taloha izay mbola nisodisody
Ny foko intsony tsy nety nimpody

Manomboka izao izany dia izao indray
Fitaratra hafa no mijery ahy
Satria vaovao izao no manoloana
Izy rahateo mandinika ahy foana
Raha lasa ianao r'ilay nandao
Izaho efa manana olon-tiana vaovao

Mba tsy hilazako hoe tsara noho ianao
Dia indro ny sariny asehoko anao

Hametraka hevitra

Midira aloha