You are here: home > Vetso

Olom-belona - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Olom-belona

misy hazo maniry iray
hafahafa anie izy izay
misy rantsana anan-kiroa
ny tanana izany leroa

ny fakany toa hafahafa
izay roa fotsiny ihany
raha jerena tsy mety mitraka
miondrika mandeha amin'ny tany

ny tendrony tsy mba maranitra
boribory feno lavadavaka
izay mijoro, mibanjina lanitra
mahita ireo habakabaka

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha