Onjam-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Onjam-pitia

Mahery sy masiaka ny onjan'ny fitia,
Arahin'alahelo tsy ilaozan-tomany
Hany ka be ireo niara-dia no nania,
Koa mamoy fo te handao ny tany

Tsy ilaozan'ny sompatra ny tany,
Hany ka manjaka tanteraka ny an-kaso
Indro ary ireo tsy mahazaka izany,
Mamoifon'alahelo sy ireo ranomaso

Be ireo naniry ny ho tafita,
Natopatopan'ny onjan'ny fitia
Indrisy kanefa rendrika tsy hita,
Ilay sambonkelin'ny fitia

Ao ireo efa niombona kosa,
Nanambatra ny fony ho iray
Ka ny ho tafita ihany no tontosa,
Koa hiara-dia mandrakizay

Na dia mahery sy masiaka aza,
Ny onja entin'ny fitiavana
Dia mbola mijoro sahy hilaza,
Tsy maintsy tafita isika rahavana

Hany ka na hitambatra avokoa,
Ny onja sy tafiotra ary oram-be
Dia tsy hahasakana anay roa,
Tsy maintsy miroso tsy maintsy mandeha

Ka hanopatopa ny fo miara-dia,
Handrendrika ity sambokelin-tsika
Tsy mahasaka anay satria,
Ny tanjona iombonanay dia ny ho tafita

Koa hatambatra ho iray ny hery,
Hiara-hizaka ny onjam-pitia
Koa tsy hihemotra velively,
Fa dia miroso hatrany ny dia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2280 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159