Peratra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Peratra

ity peratra ity
no volamena satria
fitiavana tsy miofo
no atao porofo

ka tolory izato tanana
an-kavia fa tsy havanana
ho hanatsofohana ity
peran'ny fitia

ho mari-pamantarana
fa vadiko ianao
aleo mba hiangarana
manarapoana no atao

ity izy ity dia sarobidy
ho anao ilay voafidy
hotolorana azy io
ka izao no tadidio

tsy toy ny entana eny an-tsena
ka azo esorina, halana
fa sarobidy volamena
voarara ny lalĂ na

ity peratra ity
dia pera-mariazy
hitoetra ho doria
fa tsy vazivazy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1160 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116