Porofom-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana tsy roa aman-tany
izay tokana atrany atrany

fitiavana madio mangarahara
dia ianao no hajaiko fa anjara

fitia tsy ho lany hamamiana
no atolotro ho anao anie ry tiana

fitia mamy toy tantely
ho anao anie ry anjely

fitiavana mandrakizay
tsy mba roa fa iray

fitia teny mamy kely
maharitra ho anao irery

fitiavana ho doria
tsy mivadika sanatria

izaho dia tokampo
ny ahy iray fa tsy roa

izany no porofom-pitiavako
ho anao irery aho rahavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
7897 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016