You are here: home > Vetso

Raha sahy(Maria sy Ravao) - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Raha sahy(Maria sy Ravao)

Maria...
raha sahy ianao manantona
midira fa aza mandondona
fa efa ela no niandrasako anao
ka avy malaky ary ianao Ravao

Maria...
midira hoy aho ianao
fa aza ilaozanao mitonatonana
ao ambadiky ny varavarana ao
f'izaho efa miandry eto an-tokonana

Ravao...
izay ianao mahy kely io
no mba miantsy ahy ho ao
ka izao aloha no tadidio
fa tsy ampy hoaniko ianao

Ravao...
Ka ahoana? Hiditra aho?
Sa ahoana ny hevitrao?
F'aza izaho no ambanimbanina
fa mbola tsy hitanao izany fijaliana

Maria...
Aleo retsy milamina ah
fa midira ianao ho rosoako hanina
fa aleo isika mihavana akia
fa izany no tena fitia

Ravao...
Kely aina ka te anao eo
izao izy indray no mitoreo
matahotra ahy kanefa
izaho ary teo saika nilefa

Sokajy : Angano arira

Hametraka hevitra

Midira aloha