Rahoviana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahoviana

Rahoviana re ry tiako
Vao hiverina indray
Ireo andro nifaliako
Teo anilanao hatr'izay

Rahoviana re ry malala
Vao ho eto anilako ianao
Hitoetra ary tsy hiala
Tsy handao no tsy ho lao

Rahoviana re izany
Ho tiavin'olon-tiana
Hanafoana ny tomany
Hanala ny fijaliana

Rahoviana ihany koa
No hisatam-pahasambarana
Ilay fitiavan-tsika roa
Ka ho fototra ifamarana

Rahoviana vao ho tony
Ny fo raha tena tia
Mananika eny ambony
Manakatra ilay fitia

Rahoviana ny maraina
Hahitana ilay endrikao
Ny eritreritra sy ny saina
Mitsinjo any aminao

Rahoviana vao hiaraka
Hanohy ireo tsy vita
Hifankatia tsy hisaraka
Ka tsy maintsy ho tafita

Rahoviana vao hiteraka
HanĂ nana dimby sy fara
Ka ity tena efa osa sy reraka
Ho faty hamarana ny tantara

Rahoviana vao ho toa izany
Ho tanterahiko aminao
Ho laniko aminao ihany
Izao fiainako eto izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
711 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159