Ranomasom-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranomasom-pitia

Ilay voaloham-pitiavako
Tsy miala ao am-bavako
No indro nanitsaka ahy
Tsy tahotra tsy henatra
Fa nanala izato peratra
Mba novidiko ho azy
Hay nataony kivazivazy
Ilay fitia izay natolotro
Ny mamy avy eo imolotro
Hay nataony kilalao
Indrisy noho ianao
Dia noho ianao tokoa
No nampiteraka areti-po
Tato anatiko tato
Izay nitempo anao tsy niato
Indrisy aho irery
Tsy nanampo velively
Hay dia tena vitanao
Eny e, tsy mampaninona

Ny olon-tiako faharoa
Nantenaiko mba ho soa
Ho tsara toetra sy fanahy
Hay menarana ny anao lahy
Izay eo imasoko mihintsy
No miaraka izy roa
Tsy tahotra Andriamatoa
Mampiditra ny sipany
Miaraka amiko ao an-trano
Hampisehoany ny ditrany
Fa tena sahy mivadi-belirano
Voa ratra indray ny foko
Koa mino aho fa tsy hadisoako
Raha nitia hafa aho
Hanala ny ratra anatiko ao

Dia toy izany foana foana
No niainam-pitiavako
Voamarina izay voalazako
Hany ka tofoka aho
Ny fitiavana kilalao
Satria dia ranomaso
Ranomaso foana foana
Toy ireny olona misaona
Vao nidom-pahoriana
Nilaozan'ny hava-tiana
No fahatsapako ny tenako
Ka ny hanalako ny sorenako
Dia nipetraka aho tsy nitia
Nanaja tena sy ninia
Kanefa ny ranomaso tsy tana
Mankarary ny fo mazĂ na
Indrindra raha mahatsiaro
Ireo olon-tiako maromaro
Dia tohina ny fo matetika
Ary tsy misinda vetikavetika
Fa ny ranomaso sesilany
No niainako mafy anie izany e
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162