Ratram-po (Nalison Randrianaivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia vitanao tokoa moa
ny nandratra an'ity fo
navelanao hangaina
ilay izaho mba nitaraina

tsy mba nohenoina
fa avy hatrany dia hadinoina
raha mba niangavy
dia no ratrainao sahady

izaho mba niala nenina
sy nanambitamby anao
nefa indrisy toa nanenina
tahak'izay tsy nahalala anao

fa ratra no natolony
ilay teny nivoaka teo imolony
nitondra ratram-po ho ahy
fa ianao tena sahy
--------
Rohy:
Sokajy : Ratram-po - Fitiavana
1889 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132